Tandrevaka amin'ny sehatry ny fanabeazana

Hatao sorona indray ireo niofana teo anivon'ny CRINFP ?


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Izahay dia niofana tao amin'ireo CRINFP (Centre Régional de l'Institut National de Formation Pédagogique).

Ny fianaranay dia voalaza fa 24 volana Niditra tamin'ny 20 desambra 2021 izahay ary tapitra tamin'ny desambra 2023 teo. Hatramin'izao anefa, 4 volana nahavitan'ny fianarana, tsy misy resaka na dia ny sortie aza.' VOATERY NIDI-TROSA Tahaka izany no fitarainan'ireo niofana teo anivon'ny CRINFP na ivotoeram-panofanana ho mpampianatra.Nambaran'izy ireo fa nisy solontena nandeha taty Antananarivo nanatona tao amin'ny INFP ny 8 aprily 2024 sy tany amin'ny minisitera ny 9 aprily 2024 nifampiresaka sy nanadihady ny anton'ny zavatra tsy mampandeha ilay "sortie" kanefa hatramin'izao mbola tsy misy vaovao marim-pototra momba ilay "sortie" na famoahana amin'ny fomba ofisialy azy ireo hoe vita fiofanana. Manamafy ihany koa ireto mpianatra ho mpiasam-panjakana eo amin'ny tontolon'ny fampianarana ireto fa sady tsy nahazo vatsim-pianarana no tsy nahazo pré-salaire nandritra ny fotoam-piofanana Ny banky no nampindram-bola anay hoy izy ireo satria mila vola ny fiatrehana ny fianarana sy fiofanana .Efa tokony nanomboka tamin'ny volana martsa teo ny famerenana ny vola, noitarina amin'ny volana novambra izany satria tsy mbola nisy famoahana amin'ny fomba ofisialy ny diplaoma , tsy misy ihany koa ny fampidirana ho mpiasam-panjakana. Nitombo araka izany koa ny vola averina amin'ny banky, izahay mamelona manana vady aman-janaka , ny trano any amin'ny centre tsy sahy avosotra. Ny ray aman-dreny niantoka nandritra ny roa taona efa tsy mahavita intsony. Tena mafy ny manjo anay hoy ny fitarainan'ireto mpianatra ireto.

AIZA NY FANJAKANA ?
Etsy ankilan'izay, ny fanjakana nantenaina tsy milaza mazava hoe rahoviana ilay " sortie de promotion" ny fivoahan'ny didim-pitondrana hahafahan'ireto mpiofana ireto handray ny asany. Nisy "poste budgetaire" ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena tamin'ny 2023, tsy nisy fandraisana mpiasam-panjakana na ho an'ny ENF na ho an'ireo avy ao amin'ny CRINFP na ny ENS ary mbola nahazo koa tamin'ity 2024 ity kanefa izao isika miteny izao tsy misy resaka momba an'izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray avy amin'ireto mpiofana teo anivon'ny Centre Régional de l'Institut National de Formation Pédagogique ireto, asa hoe fa lasa aiza sa variana manao inona ny fanjakana.
Nangonin'i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT