Ny fiandohan’ny herinandro lasa teo no nilazan’ny Minisitry ny fanabeazam-
pirenena Rtoa Sahondraharimalala Marie Michelle, fa manomboka amin’ny taona 2021, dia efa 51 miliara Ar ny « caisse école » raha 19 miliara ariary teo izany teo aloha, ahafahan ny fanjakana mandoa ny « cotisations parentales » na ny vola tokony halohan’ny Ray aman-dReny ho an’ny mpampianatra FRAM. Ny PAEB no ahafahanaa nandoa ny karama FRAM Telovolana voalohany . Tsy miandoa vola mihitsy izany ny Ray aman-dReny amin ity taom-pianarana 2020-2021 ity, raha ny fanambarana. "Handoa tambin-karama ho an’ireo mpampianatra « non subventionné » ny Fanjakana amin'ny alalan ny « Caisse école », ka 91 000 Ar isam-bolana ho an’ny Maitre FRAM iray. Rehefa tsy misy intsony ny fandoavam-bola avy amin’ny Ray aman-dReny, fa nofoanana mba hanatanterahana ilay “zero Ariary”, dia midika izany io, fa io 91 000Ar io no hany raisin’ny Maitre FRAM “non subventionné” na karama no iantsoana an’io na tambin-karama, raha tsy hoe misy fanampiana ara-bola hafa ankoatran’io. Nireharehan’ny Fanjakana ny fampiakarana ny karama farany ambany ho 200 000Ar nanomboka ny volana mey 2019 ho fampiharana ny didim-panjakana laharana 2019-927 mifandraika amin’izany. Asa tena mifanaraka amin’izany sy tena mifandraika amin’ny fampanaraham-penitra ny fanabeazana ve izao atao amin’ny mpanabe izao? Ekena fa misy ny ezaka ataon’ny Fanjakana saingy sao variana fotsiny amin’ny endriny ivelany ka adino tanteraka ny lafiny mahaolona? Miezaka mampiseho ny Fanjakana fa manangana fotodrafitrasa etsy sy eroa, saingy toa anjorom-bala ireo mpampianatra mpanabe izay tena ain’ny fanabeazana. Mihazakazaka amin’ny fananganana fotodrafitrasa isika, fa mila jerena hatrany ihany koa ireo efa misy izay maro ny potika sy rava kanefa isika izao ao anatin’ny fahavaratra. Sa tena hoe aleo mihinan-kely tao izay mandry fotsy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.