Talen-tsekoly namely tehamaina

Nitolo-batana teny amin’ny polisy


  • Talata 28 Novambra 2023

Taorian’ny fipariahan’ny horonan-tsary iray maneho herisetra nataona mpampianatra tamin’ny mpianany

ny faran’ny herinandro teo tao amina sekoly tsy miankina iray teny Ivandry, namoaka fanambarana ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa tsy azo ekena ny herisetra na inona na inona endriny. Nilaza ny Minisitera fa hisy ny fepetra raisina mikasika ity mpanabe ity rehefa tena voamarina ny tranga. Nambara fa mandray ireo fa manoka-baravarana eo anatrehan’ny mety ho fitoroana na famakiana bantsilana ny herisetra tahaka ireny ny Minisitera sy ireo antanan-tohatra toy ny fitaleavam-paritry ny fanabeazana, ny CISCO. Andaniny, tsy niandry ela ilay ramose izay voalaza fa tsy mpampianatra tsotra fa tompon’ilay sekoly mihitsy, fa tonga an-tsitrapo tao amin’ny polisy « PMPM » Tsaralalalana. Voalaza fa niatrika fanadihadiana momba iny tranga iny. Tsy mbola nisy aloha ny fanazavana nahatonga ilay fikasihan-tanana hatramin’izao. Voalaza fa fanaon’io Talen-tsekoly io ny manadina ireo mpianatra isa-maraina, ka tao amin’ny kilasy « 4 eme I » iny no nitranga ny fibedesana sy fikasihan-tanana, izay nadikan’ny mpanara-baovao ho herisetra ara-batana sy ara-tsaina. Ankoatra ny maha-mpanabe azy, mpanazatra amin’ny klioba lehibe sady mpitarika tanora mpilalao baolina kitra eny Ivandry io Tale io, ka tsy misy tsy mahalala azy ny eny an-toerana, hoy ny fanamarihana. Andrasana izay ho tohin’ny raharaha, fa samy nanana ny nandraisany azy moa ny rehetra teo anatrehan’iny tranga iny. Tao ny nanameloka avy hatrany fa tsy azo ekena ny herisetra na inona na inona antony, ary tao ihany koa no naneho fa tsy tokony hitsara sy hanameloka avy hatrany satria tsy mora ihany koa ny mitaiza tanora, ary sarotra ny asan’ny mpampianatra sy mpanabe.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT