TALE JENERALIN'NY CNAPMAD

Tsy azo ekena ny mpiasa


  • Alatsinainy 24 Novambra 2025

tsy manara-dalana

Nitondra fanazavana manoloana ny fitakian'ireo mpiasa sasany eo anivon'ny Cnapmad ny mba hialany amin'ny toerany Ranosy Éliane, tale jeneralin'ity orinasa ity omaly. Nambarany fa tsy azo ekena ny mpiasa tsy manara-dalana. Fianakaviana miisa 140 no velomin'ny orinasa Cnapmad hoy izy ka izay hita androany hohanina androany. Misy anefa ireo mpiasa tsy miasa hoy izy fa mitady handray karama fotsiny. Misy indray ireo tonga ao am-piasana manao présence fotsiny dia lasa avy eo raha tonga ihany ny sasany fa matory fotsiny. Maty ireo mpiasa tena miasa vokatr'izany. Izahay tsy mahazo fanampiana handoavana karaman'ny mpiasa izany. Ny kaontinay ihany koa mbola bloquer tsy hahafahanay mihetsika mividy akora fototra hanamboarana ireo kaomandin'olona marobe. Tsy maintsy miasa daholo ny mpiasa rehetra vokatr'izany. Nomarihin'ity tale jeneralin'ny Cnapmad ity moa fa efa tena niroborobo fatratra ny orinasa notantanany nanomboka tamin'ny taona 2024. Mila tsy haharaka amin'ny kaomandin'ny olona izy ireo noho izany tsy ekeny intsony ny hampikoroso fahana indray ity orinasa ity. Mpiasa miisa 10 moa no nambarany fa nomeny demande d'explication mikasika ny antony tsy niasany ary tokony hamaly izany mba tsy ho tapaka karama.
Pati
Légende : Izy no Ranosy Éliane, tale jeneralin'ny orinasa Cnapmad !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT