Fampianarana

Takaitran’i Batsirai Mpianatra 133 627 no mbola tsy miditra an-tsekoly


  • Alatsinainy 14 Febroary 2022

Tafakatra 126 ireo trano fianarana handraisana traboina noho izany raha mahatratra 133 627 ny isan’ireo mpianatra miato amin’ny fianarana hatreto.

Midika izany fa efa roa herinandro izany no tsy niditra an-tsekoly izy ireo, ny programam-pampianarana anefa mitohy ihany, ary tsy mbola misy resaka fampihemorana datim-panadinana mihitsy. Tsy fantatra ihany koa izay mbola hitranga amin’ity herinandro ity raha tafiditra an-tanety eto Madagasikara ny rivodoza Dumako. Raha ny tatitra avy amin'ny Ministeran'ny Fampianarana ny 10 febroary teo dia mahatratra 901 ireo efitrano fianarana simba amin’ny ampahany raha miisa 2562 ireo rava tanteraka.Mahatratra 1. 085 ireo rava tafo, 37 ny isan’ny biraom-panjakana nahitana fahasimbana.Fa tafakatra 121 kosa ny isan’ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai teto amintsika. Olona manodidina 139 034 no traboina tamina tokantrano miisa tokantrano 29 332. Olona 29 148 na tokantrano miisa 6 566 ihany koa izay mitsinjara amin’ny toerana fandraisana an-tanana traboina 79 no notolorana tanana. Nahatratra 8 634 ny isan’ireo trano fonenana rava tanteraka. Miisa 3 236 ireo simba amin’ny ampahanay raha 7 098 ireo toeram-ponenana dibo-drano. Mikasika ny sehatry ny fitsaboana dia miisa 21 ireo CSB I voakasika raha miisa 48 ny CSB II. Tafakatra dimy kosa ny trano fonenan’ireo mpitsabo voakasika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT