Fampianarana

Tahina Razafinjoelina « Mila mamokatra sy mamorona asa isika raha te handroso »


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,

ary niezaka foana nanazava tamin’ny mpianatra fa misy tsara ny vahaolana hampandrosoana ny firenena.
MARANIN-TSAINA NY MALAGASY
Ny olombelona no voalohan-karena, hoy izy ary tsapa fa tena manan-tsaina amin’ny resaka informatika ny Malagasy.Marobe no gaga any am-pita rehefa mahita ny mpianatra Malagasy ka manao hoe :fa nahoana ianareo no mahantra kanefa manana olona kinga saina be. Fa tena mbola henjana ihany koa ny Malagasy amin’ny fahaizana teny vahiny, hoy izy. Nontantarain’i Tahina Razafinjoelina fa 12 taona lasa, nisy andiana Maorisiana nijery orinasana informatika maromaro teto Madagasikara satria nitady teknisianina. Efa faramparany vao tafaresaka taminay, ireo hoy izy.Nisy zavatra tsy vitan-dry zareo efa-bolana,vitanay 3 mirahalahy ,tamin’izany fotoana tao anatin’ny tapak’andro rehefa niondrana tany Maorisy izahay niasa. Amin’izao fotoana dia Malagasy avokoa ny antsasaky ny informatisiana atsy amin’ny nosy Maorisy.
ZAVA-DEHIBE NY FINOANA
Nambarany ihany koa manarak’izay fa tena goavana ny resaka finoana.Tazony ny finoana, fa zavatra farak’izay tsara io, hoy izy nanoloana ireto mpianatra ireto. Tsy atao endrika ivelany fotsiny fa tena iainana ny finoana .Rehefa iainana ny finoana dia mifampatoky, miara-miasa.Tsy maintsy miara-miasa ny Malagasy izay vao tafita, tsy ny Karana na Sinoa no ratsy toetra fa mahay miara-miasa ry zareo no sady mahay mifampiaro. Ny antsika anefa dia lazaina hoe ny havan-tiana tsy iaraha-monina, dia ahoana izany rehefa hoe hiara-hiasa,hoy i Tahina Razafinjoelina.Lasa misy kolontsain’ny samy mandeha samy mitady, samy maka ho azy eny , lasa tsy misy fiombonana dia sarotra ny asa fampandrosoana ao anatin’izany, hoy izy.
AZA MORA KIVY IZANY
Misy dia milaza hoe efa tsy misy hevitra intsony ity Madagasikara ity. Fa izay no vita.Aza mora kivy tahaka izany isika, hoy i Tahina Razafinjoelina fa ny mila manam-pinoana.Mila mino ianao fa…alefaso ny vina sy ny fandaharanasa, tanteraho ao anatin’ny fanantenana. Rehefa tsy manana fanantenana dia lasa miandry fitserana fotsiny : mampalahelo dia omena fanampiana, zarazaraina akanjo sy vatsy kely dia tsy mifantoka amin’ny tena fiainana dia ambakain’ny olona.Ny tena zava-doza dia lasa manaiky ilay fahantrana isika satria hoe efa izao no zava-misy.tsy mety ny manaiky fotsiny ny zavatra diso sy tsy rariny.
MAMORONA ASA, MAMOKATRA
Andao isika hitady hevitra hamoronana asa manerana ny faritra eto Madagasikara. Andao isika hamorona mpandraharaha, hoy izy nanohy ny famelabelaran-keviny ka mila mametraka fandriampahalemana , mila ampiakarina ny fahefa-mividy. Ohatry ny tokantrano ny firenena : misy vola miditra, misy vola mivoaka.Miha mahantra rehefa betsaka ny vola mivoaka noho ny vola miditra. Mamoaka vola betsaka ny firenena iray rehefa manafatra entana betsaka. Miha manankarena izy rehefa betsaka ny entana avoaka noho ny entana miditra. Misy roa ny vahaolana : mitsitsy ny eo am-pelatanana na mampitombo ny vokatra. I Madagasikara dia tena mbola tany mamokatra sy midadasika, hoy i Tahina Razafinjoelina , manana harena an-dranomasina, manana harena an-kibon’ny tany. Ka mila haintsika sy fehezintsikaireny ary avadika ho otrikarena ho an’ny firenena sy ny mponinaao aminy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT