TAHAN’NY ANKIZY MAMONJY SEKOLY

Mihena isan’andro vokatry ny fahasahiranana


  • Talata 11 Febroary 2025

Mihena isan’andro ny tahan’ireo ankizy mpianatra mamonjy sekoly nanomboka ny volana Janoary

teo raha araka ny fanadihadiana natao tamina sekoly tsy miankina iray. Ankoatra ny aretina toy ny gripa mahery sy ny tazo dia fantatra fa antony mahatonga ireo mpianatra tsy hianatra ihany koa ny tsy fisian’ny sakafo hohanina any an-tokantrano. Sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dReny noho ny tsy fisiam-bola ka amin’ny atoandro na hariva ihany vao mihinana. Mahatsiaro reraka ireo mpianatra vokatr’izany ka aleon’izy ireo mijanona any an-trano miandry ny fotoana hisian’ny sakafo feno manontolo mandritra ny tontolo andro. Tena misy akony goavana eo amin’ny fampandehanana ny asa fampianarana anefa ny tsy fahatongavan’ny mpianatra iray matetika raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly iray. Anisan’ny ivon’ny fampianarana mantsy izao roa volana fahatelo izao hijerena ny lesoka sy ny tsy mety rehetra mialohan’ny hiatrehan’ny mpianatra ny fanadinana fifindran-kilasy na ny fanadinam-panjakana. Tsy misy anefa ny azo hatao hoy hatrany ity talen-tsekoly ity. Handoavam-bola 2.500 ka hatramin’ny 3000 Ar mantsy ny cantine sakafo atoandro isan’andro ho an’ny sekoly tsy miankina amin’izao fa tsy misy ny maimaim-poana.
Pati
Legende : Noana ny ankizy dia maro ireo tsy tonga mianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT