Fampianarana

Solontenany nosamborina teny 67 Ha Manambana hitokona ny ENSET Diego anio


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Nisy ny loharanom-baovao nilaza omaly, fa nosamborina teto Antananarivo teny

 

 

 

67Ha efa ho 4 andro teo izay ny Solontenan’ny mpianatra mpitarika ny ENSET Diego nanao fifanarahana tamin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena momba ny fitakiana iraisan’ny ENS (Ecole National Superieur), izay efa nambaran’ny Minisitera mpiahy, fa hampidirina ho mpiasam-panjakana. Nisy solotenan'ny ENSET koa anankiray niala tany Antsiranana tokony hanatrika fivoriana dia nosakannaa teny amin'ny Toby Fiantsonan’ny Fiara, hoy ny vaovao niely. Tamin’ny ora nanoratanay, dia tsy mbola fantatra mazava na navotsotra na tsia io mpitarika io. Tsy fantatra mazava izay tena antony nisamborana azy, ary tsy hay na nohadihadiana dia navotsotra na mbola eo am-pelantanan’ny manam-pahefana. Andrasana ihany koa ny fahadisoana, raha toa ka tsy nisy fisamborana izany. Tsy misy ifandraisany ihany koa amin’ny hetsiky ny mpianatra tany Antsiranana ny alin’ny 21 janoary teo nisiana fifandonana tao amin’ny Faritry ny Oniversite, izay efa nisy ny mpianatra 5 naiditra am-ponja vonjimaika. Voalaza fa manambana hihetsika ny mpianatra any Mahajanga anio mitaky ny hamoahana ilay namany nosamborina taty Antananarivo. Miha mafana hatrany ny raharaha fifanolanana any amin’ny Oniversiten’Antsiranana, izay niseho tamin’ny endriny samihafa ny fitakiana, ka teo ny an’ny ENS, ny an’ny mpianatra leo delestazy sy rano tapaka.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT