Fampianarana

Soavinandriana Tsy nanao na inona na inona aho, hoy ny sefo CISCO


  • Talata 05 Jolay 2022

Araka ny didim-pitsarana mikasika ny CISCO Soavinandriana dia tsy mahazo mivoaka ny faritra iadiadiako na “sous contrôle judiciaire” ny tenako,

hoy ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao an-toerana na Chef CISCO ao Soavinandriana, Augustin Razanadrakoto. Misy vavolombelona mbola tokony ho henoina moa, hoy izy. Ny zavatra tsikaritra nandritry ny fanadihadiana dia na ny vavolombelon-drizareo aza dia niteny fa ny Chef ZAP no naka ny volany fa nolazaina fa hoe homena ny CISCO.. Tsy afa-po tamin’ny didy ny tenako manokana saingy mametraka ny maha tomponandraikitra ny fitsarana. Mino aho fa hitsara ara-drariny ry zareo. Raha ny tena marina dia tokony nampakatra ny fitsarana aho satria maninona moa izaho tsy nanao na inona na inona indray no “sous contrôle judiciaire” fa tsy ry zareo nandray volan’olona? Izay moa izany no fanapahan-kevitry ny mpitsara dia andrasana am-pitoniana ny fiafarany. Raha iverenana moa dia resaka hoe fakana vola tamin’ny fampidirana mpampianatra no anton’ny fitorian-drizareo. Eo koa ny resaka “caisse école” sy ny toy izany. Misy tomponandraikitra maro nefa miandraikitra an’ireny ary misy aza tsy misy idiran’ny Sefo CISCO fa dia lasa ny sefo CISCO no lasibatra. Miantso ny tomponandraikitra sy ny rehetra mba tsy hihinana am-bolony fotsiny fa raha nisy tokoa ary ve izany zavatra izany dia tokony ho ny sefo CISCO irery no voakasik’ilay fitoriana, hoy hatrany ity sefo CISCO ao Soavinandriana ity ?
J. Mirija
Legende: Ny sefo CISCO Soavinandriana sy ireo mpanohana azy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT