Fampianarana

Session speciale CEPE 2018 Hotanterahina amin’ny 28 aogositra ho avy izao


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Ankizy an’aliny no tsy afaka niatrika ny fanadinana CEPE taom-pianarana 2017-2018 ny talata 14 aogositra lasa teo manerana ny Nosy.

 
Anisan’ny tena nahitana betsaka izany tany amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Anosibe an’ala, raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Nahatratra 14 mantsy ireo foibem-panadinana tamina CEG tsy afaka nampiantrano izany noho ny disadisa misy eo amin’ireo mpampianatra mitokona sy ny fitondram-panjakana. Toraka izany koa ny any amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’i Sambava izay nisy  ny foibem-panadinana iray dia ny tao amin’ny CEG Anjangoveratra. Tsy avela fotsiny amin’izao anefa ireo mpianatra an’aliny ireo fa hiatrika ny fanadinana CEPE ihany. Ny tontolo andron’ny 28 aogositra ho avy izao no hanatanterahana izany saingy tsy hatao vato misakana kosa ny fivoahan’ny vokatra ho an’ireo faritra sasany. Anisan’ny efa namoaka ny azy ny alakamisy teo ny tany amin’ny DREN Itasy nahitana ny fari-piadidiam-pampianaran’Arivonimamo, ny centre ao Imerintsiatosika, ny DREN  Betsiboka,  misy ny fari-piadidiam-pampianarana Maevatanana, ny centre Beratsimanana, Mahazoma, Andriba……Mbola hitohy amin’ity faran’ny herinandro ity ny famoahana ny vokatra raha vinavinaina amin’ny talata ho avy izao kosa ny eto an-drenivohitra. Mikasika ny laza adina manokana dia fantatra fa hojeren’ny minisitera akaiky izany mba hampitovy lenta ny diplaoma  omena  ny mpiadina rehetra. Mitohy kosa ny fanadihadiana ifotony mikasika ny tsy nahavita ny CEPE tamin’ireo foibe 15 isa ireo ny talata 14 aogositra lasa teo.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT