Fampianarana

Seraseran’ny minisiteran’ny fampianarana ambony Mampametra-panontaniana ny andraikitra sahaniny


  • Talata 13 Septambra 2022

Nankaiza ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony? Mampametra-panontaniana ankehitriny ny andraikitra sahaniny.

Mateti-piseho ny fitokonana eny amin’ny anjerimanontolo. Tsy hita ny fanazavana eo anivon’ny seraseran’ity minisitera ity. Tsy mahay misafidy ny mpiara-miasa aminy ve ny Minisitra? Isan’ny fanontaniana mipetraka koa ny hoe maro ny olana ao amin’io Minisitera io fa toa ny Minisitra foana no miatrika ny mpanao gazety sy ireo mpanao fitakiana? Tsy mahafehy ny asany ve ny tomponandraikitry ny serasera ao? Toa ny seraseran’ny fiadidiana ny repoblika indray farany teo no mampahafantatra ny tetiandron’ny vatsimpianarana na “bourse”? Tsy asan’ny tomponandraikitry ny serasera MESUPRES ve izany? Miroso any amin’ny fandraketana an-tsolosaina ny mombamomba rehetra na “digitalisation” ny Ministera kanefa niandry fatratra ny valin’ny Bakalorea ny mpianatra sy ny ray aman-dreny hoe hivoaka anaty tranokalan’ny MESUPRES izany saingy tsy nisy tao. Ny tambazotram-pifandraisana an-tariby indray no namoaka izany. Taiza ny tomponandraikitry ny seraseran’ny minisiteran’ny fampianarana ambony ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT