Fampianarana

Serasera, informatika Anisan’ny lalam-piofanana mbola tena mahaliana ny mpianatra


  • Zoma 15 Febroary 2019

Anisan’ny lalam-piofanana mbola tena mahaliana ny tanora Malagasy eto amintsika amin’izao ny serasera sy ny informatika.

Ho azy ireo mantsy dia anisan’ny mora ahitana asa kokoa ireo lalam-piofanana ireo raha oharina amin’ny hafa no sady hahazoam-bola haingana raha voafehy tsara. Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana ilay “Salon de l’étudiant”   volana Febroary  karakarain’ny Madajeune etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Hifarana anio zoma izany ka ankoatra ny toro-hevitra omena ireo tanora mpianatra sy ny ray aman-dreniny dia misy ihany koa ilay karazana bokikely amin’ny vidiny 2.000 Ar hanampiana ireo mpianatra hahalala tsara ireo karazana sekoly ambony tsy miankina azo antoka eto an-drenivohitra. Manodidina ny 20 isa ireo sekoly ambony mandray anjara amin’izany izay nomarihin’Atoa Lahatra Andriamahatsangy fa misy ny tena vaovaobe tokoa ankoatra ireo efa mpandray anjara nefa manana ny maha-izy azy hatramin’izay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT