Fampianarana

Sendikan’ny Mpampianatra Malagasy Fomba fiadin’ny tompon’andraikitra ny fampisarahana


  • Zoma 05 Oktobra 2018

Hifarana anio etsy amin’ny INFP (Institut national De Formation Pédagogique) Mahamasina ny fikaonan-doha nasionalin’ny mpampianatra mivodrona ao amin’ny SEMPAMA Nosy.

 Tonga eto avokoa ireo mpampianatra manerana ny nosy hiady hevitra sy hitondra ny soso-kevitra rehetra ho fanatsarana ny fiainan’ny mpampianatra. Haravona ho fehin-kevitra izany amin’ny farany ka hampahafantarina ny tompon’andraikitra. Hatao izao mba hialana amin’ny fitokonana lavareny sy ny fitakiana mety hiverimberina. Ny olana sedrain’ny mpampianatra eto an-drenivohitra sy ny any ambanivohitra mihitsy no hojerena mba hisy vahaolana maharitra. Nanambara ny filohan’ny SEMPAMA Nosy, Ratolojanahary Arsène fa ny 85%-n’ny mpampianatra dia mivondrona ao avokoa ary vitsy kely ireo namadika ny tolona noho ny fitiavana toerana sy vola. Nilaza ihany koa izy fa mianto-tena avokoa ireo mpampianatra tonga avy any amin’ny faritany ireo noho ny finiavana te hanatsara ny fari-piainany sy ny lafiny fampianarana. Ezahin’ny tompon’andraikitra ny fampizarazarana ny mpampianatra sy ny fitarazohana lavareny amin’ireo fitakiana, hoy ny filohan’ny SEMPAMA Nosy. Nanambara ny tenany fa nisy vokany ny tolona efa natao raha tsy hilaza fotsiny ny  fiakaran’ny mpampianatra nampidirina miisa  8000 raha efa nitotongana 4000 izany.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT