Fampianarana

Sendikan’ny mpampianatra “Aleo hoalainay ny fahefana !”


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Niezinezina ny fanambaran-drizareo kaonfederasionina sendikaly eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra Malagasy na Sempama tetsy amin’ny INFP Mahamasina omaly. Mitohy ny tolon’ny mpampianatra sy mpanabe, hoy izy ireo.

 

 Efa nametraka volavolana tetikasa mikasika ny famaliana ny fitakianay tany amin’ny fanjakana izahay ary tsy nila vaniny hoe tonga dia aloavy miaraka fa nanoso-kevitra hahafahana manefa izany tsikelikely, hoy izy ireo. Mba hahafahanay manamafy ny fandraisan’andraikitray koa, hoy hatrany izy ireo, dia manambara izahay fa handrotsaka ny filoha nasionalin’ny kaonfederasionina, Claude Raharivoatra, ho fidiana ho filoham-pirenena. Hiaraha-mahita, hoy izy ireo, ny fanimbazimbana ny tontolon’ny fanabeazana ankehitriny kanefa ireo mpitondra ireo dia vokatry ny mpampianatra sy mpanabe avokoa ka noho izany mba hamerenana ny hasin’ny fanabeazana dia aleo ho alainay mihitsy ny fahefana. Miisa 57742, hoy izy ireo, ireo mpampianatra sy mpanabe mampandeha ny rafi-panabeazana eto ary inoanay fa hanampy anay.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT