Sendikan’ny injeniera momba ny fambolena

Tsy nandefa solontena teny Iavoloha


  • Alakamisy 09 Oktobra 2025

Nampahafantatra omaly ny sendikan’ny enjeniera

momba ny fambolena eto Madagasikara fa tsy nandefa solontena tamin’ny fivoriana nanasàn’ny filoham-pirenena, izay nambara hifanakalozan-kevitra eto amin’ity firenena ity izy ireo tamin’iny omaly 8 oktobra nanatontosàna ilay hoe fifanakalozana iny. Mahatsapa ny SIAM na «Syndicat des ingénieurs agronomes de Madagascar» fa mbola tsy ampy ny fepetra ilaina ahafahana miatrika dinika mahomby sy maharitra. Noho izany dia tsy handray anjara mihitsy amin’ny fifanakalozan-kevitra na toy inona endrika isehoany na toy inona. Mampahafantatra amin’ny fomba ofisialy ny SIAM fa raha misy olona mitonona ho solotenan’ny SIAM nefa tsy nahazo fanendrena avy amin’ny birao nasionaly dia tsy mitondra ny feon’ny fikambanana izy ary tsy manana fahefàna misolo tena ny sendika. Raha misy olona mitonona amin’ny anaran’ny SIAM dia misandoka izany, hoy hatrany ny fampahafantarana natao.
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT