Tapaka tanteraka ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny sendikan’ny mpampianatra malagasy.
Izay no fanambarana niezinezina nataon-dry zareo eo anivon’ny kaonfederasion’ity sendika ity tetsy amin’ny Bon accueil Ambatonakanga ny talata teo. Manomboka izao dia hijanona ho mpiara-miasa sisa izahay, hoy ireo mpampianatra. Anton’ny fanapahan-kevitra moa ny fahitan’ireto sendika ireto fa natao tsinontsinona ary nitsakitsahana ny fiaraha-miombon’antoka nisy teo amin’ny roa tonta izay napetraka ny 15 aprily 2014, fotoana nanendrena an’i Paul Rabary ho minisitry ny fanabeazam-pirenena. Anisan’ny tena tsy levon’ny vavonin’ireo mpampianatra, raha ny fanazavana, ny fandikana ny lalàna napetraka tamin’ny aogositra 2007 izay mandidy ny mpivady hiara-honina rehefa misy famindrana toeram-piasana (affectation). Tao koa ny tsy fanajana ireo mpampianatra 55 taona no ho mihoatra. Olona miisa 57.742 no mampandeha ny rafi-panabeazana hatrany ifotony ka hatrany an-tampony, hoy ity kaonfederasionina ity, kanefa dia mbola toy izao hatrany ny tontolon’ny fanabeazana eto amintsika. Misy mpahay lalàna 5 amin’ireo ary misy mpandrindra fiarahamonina 30 ka noho izany hajao ny lalàna, hoy hatrany ireo mpampianatra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.