Namaha olana ny Fanjakana,
mifarana ny fitokonana! »
Azo ambara fa nivaha ny olana misy eo amin’ ireo sendikan'ny mpiasa eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena mahakasika ny fitakian'izy ireo karazana ny tambin-karama mbola tsy azony. Nihaino ny fitarainan izy ireo mantsy ny Fitondrana Fanavaozana ka nandefa iraka nitafa sy nidinika ary nitondra ny vahaolana avy amin'ny Fitondram panjakana nanoloana ireo Sendika nitokona izay 2 andro izao. Tapaka nandritra ny fifampiresahan'ny 2 tonta ary fa amin’ny faran’ny volana ho avy izao no handray ireo tambin-karama (indemnité) notakiany ny mpiasa eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam.pirenena. Ankilany anefa, nangataka ny hisian ny fitovian-jo amin'ireo mpiasa sasany izay efa nisitraka izany nanomboka ny volana Janoary ireo Sendikan'ny Mpiasa ireo ahitana ny F2M. Hangatahan'izy ireo ihany koa ny hamerenana anaty mangarahara tanteraka ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM tsy an-kanavaka. Izany hoy ireto Sendikan'ny Mpiasan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ireto no notakiana teny an-kianja nandritra ny tolona 2025. Farany izay tsy kely akory tsy adinon'izy ireo ny nangataka mba handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpianatra nahavita fianarana nivoaka avy eo anivon’ny ENS ka hamoahana ny didy fanapahana mifandraika amin'izany.
Pati
Legende : Nifarana omaly ny fitokonana nataon’ireo sendika eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.