Fampianarana

SEMPAMA – NOSY Toamasina Mitokona nanomboka omaly


  • Alarobia 16 Mey 2018

Nifampitaona teo an-tokotany malalaky ny CEG Ratsimilaho ny talata maraina teo ireo mpampianatra sy mpanabe rehetra ao Toamasina, ao anatin’ny fanohanan’izy ireo ny fiantsoana fitokonana faobe nataon’ny Sempama – Nosy azy ireo amin’ny fanaovan’ny fanjakana tsinontsonina azy ireo.

Ho azy ireto dia “masina ny tanindrazana, rehefa masina ny fanabeazana ka omen-kasina ny mpampianatra sy ny mpanabe”, satria tao anatin’ny efa-taona nitakian’izy ireo ny tombontsoa keliny sy fampanantenana poak’aty atao azy ireo hatramin’izay, dia mahatsiaro ho faralahy hatrany izy ireo eo imason’ny minisiterany sy ny fanjakana misy. Mahita koa anefa ireto mpampianatra sy mpanabe ireto fa tena hanjakan’ny kolikoly sy ny akamakama ary resa-pianakaviana loatra ny minisiteran’ny fanabezam-pirenena; tsy amin’ny fanomezana tsenam-baro-panjakana ihany na amin’ny asa rehetra misy resa-bola fa hatramin’ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana dia tena feno, indrindra tamin’ny andiany faha-5 farany teo. Raha ny zava-nisy ao Toamasina omaly talata dia saika nanara-dia azy ireo avokoa ireo mpampianatra sy ireo mpanabe. Nisy ihany koa tratry ny tery vay manta ny talen’ny sekoly misy azy ireo ka tsy afa-nivoaka, tahaka ny teo anivon’ny EPP Todivelona Raphael Ankirihiry, La Marne Tanamakoa, l’Esperance Mangarano. Hafa kosa anefa ny antony tsy nivoahan’ireo mpampianatra sy mpanabe tao amin’ny ankaninjaza Romialo noho ity akany ara-panjakana tokana ao Toamasina ity mitaiza ireo zanaky ny sahirana.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT