Fampianarana

SEMPAMA Nosy Niova kabary …


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Matoa ny fanadinana omena "vaccation" dia andraikitra tsy maintsy atao koa samy manana safidy, manana ny fanapahan-keviny ka tsy azo terena fa efa ivelan'ny asa, hoy

 

 

Ratolojanahary Arsène, filoha nasionalin’ny SEMPAMA Nosy manoloana ny ho fandraisan’ny mpampianatra anjara amin’ny fampandehanana ny BEPC 2018 fa kosa raha misy ny manery dia anjaran'ny sendika no miaro azy ireny. Nivoitra io nandritra ny fitsidihany tany SAVA ny herinandro lasa teo. Tamin'izay koa no nampatsiahivany ireo fitakiana nataon’ny mpampianatra nanerana ny Nosy nefa tsy nisy valiny nahafa-po hatramin’izao ka mahatonga ny tolona mitohy hatrany. Nampahafantarin’ny filoha nasionalin’ny SEMPAMA Nosy koa fa hanao “Assises nationales” na fihaonambe eto Antananarivo izy ireo ny 24, 25, 26 septambra 2018 handravonana ny olan'ny mpampianatra sy handrafetana vahaolana mifanaraka amin’izany ary izay fehin-kevitra hivoaka eo dia hatolotra an'ireo kandida filoham-pirenena mba tsy hiverimberenan’izao krizy eo amin'ny sehatry ny fampianarana izao.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT