Fampianarana

Sempama Nosy “Mila fanavotana malaky ity fanabeazana ity”


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Feno 10 taona amin’ity taona 2022 ity ny sendikan’ny mpanabe manerana ny nosy ny Sempama Nosy, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo tetsy amin’ny INFP Mahamasina omaly.

Hisy ny fanamarihana amin’ny alalana hetsika lehibe izany eto Antananarivo ny 2 hatramin’ny 4 novambra izao. Isan’ny ho tontosaina anatin’izy io ny fikaonandoham-pirenena ataon’ny sendika, hoy ny filohan’izy ireo, Arsène Ratolojanahary, hijerena ny olan’ny fanabeazana sy ny olan’ireo mpanabe hatrany alavitra any. Ho azo ao anatin’izany ny fehinkevitra hoe ireto misy olana tokony ho fohy ezaka vahan’ny minisitra ankehitriny. Misy amin’izay fehinkevitra izay ihany koa no efa eritreretinay sahady omena ireo kandida ho filoham-pirenena ahafahan-drizareo mieritreritra hoe ireto no olan’ny fanabeazana eto Madagasikara, inona no tokony amahana azy? Anasana ny mpampianatra rehetra manerana ny nosy sy ireo mpikambana eto Antananarivo koa ny hetsika. Mino izahay fa mbola maro ny olana ivelan’ny efa fantatra. Raha ny efa fantatra izany moa dia eo ny resaka fandraisana ho mpiasam-panjakana. Be dia be ny mpampianatra efa noraisina fa mbola maro no tsy voaray. Olana iray mitambesatra ho an’ny firenena io. Faharoa, olona tsy niofana ho an’ny fanabeazana ireo mpampianatra FRAM ireo fa olona afaka BEPC, bakalorea, nianatra teny ambaratonga ambony tsy niofana momba ny pedagojia. Azontsika sary an-tsaina fa raha misy mpampianatra afaka BEPC na bakalorea no avy hatrany dia atao dokotera na ampitanana basy hanao mpitandro filaminana, mety tsy hisy hanaiky izany ny olona. Ny olana tena miantraika amin’ny aina dia ny resaka fandrisika. Efa tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Miakatra ny vidim-piainana ankehitriny fa tsy miakatra ny karaman’ny mpanabe. Ny fandrisika tsy miakatra. Ireo mitambatra no hahatazanana fa mitotongana ary mila fanavotana malaky ity fanabeazana ity. Mila vonjena ity fanabeazana ity, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT