Fampianarana

Sekoly tsy miankina Tsy voajery mihitsy…


  • Talata 16 Jona 2020

Ireo mpianatra tsy manala fanadinam-panjakana (classes intermediaires) dia tsy mbola miverina an-tsekoly. Nanamafy moa ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana no sady filohan` ny CCO COVID-19, Tianarivelo Razafimahefa, fa “ny fiverenan` ireo mpianatra an-tsekoly dia natokana ho an` ireo mpianatra manala fanadinana.

 

 

 

”Ho an` ireo distrika ao Toamasina kosa, dia tsy mbola miditra an-tsekoly ireo mpianatra na manala fanadinana, hoy ihany ity filohan` ny CCO ity. Ho fiantohana ny zaza Malagasy moa no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Saingy, toa tsy voaresaka mihitsy ny momba ireo mpampianatra na FRAM io na amin` ireo sekoly tsy miankina izay mandalo fahasahiranana amin’izao krizy entin’ny COVID-19 izao. Noho ny fiatoan’ny fampianarana dia miato torak’izay ihany koa ny fandoavan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny karaman’ny FRAM. Toy izany ihany koa any amin` ireo sekoly tsy miankina, tsy mandoa saram-pampianarana ny ray aman-dreny ka tsy manan-ko raisina ireo mpampianatra. Efa maro ihany ireo antso avo amin ny tompon’andraikim-panjakana mba hijery azy ireo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT