Fampianarana

Sekoly tsy miankina sasany Mitsoaka an-daharana ny 45%n’ireo mpianatra


  • Zoma 04 Martsa 2022

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana eto Madagasikara ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana, hoy ny filohan’ny fikambanan’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana manerana ny nosy, Hery Razafindrakoto.

 Ny 70%n’ny lisea eto Madagasikara, hoy izy, dia tsy miankina. Ny 60%n’ny kolejy eo dia tsy miankina. Ny EPP sy ny sekoly ihany izany izao no mitovitovy ny habetsaky ny mpianatra. Tsy sanatria misora-tena izahay fa raha fari-pahatakarana sy fari-pahaizan’ny mpianatra dia ny sekoly tsy miankina hatreto no manana. Hita ho mihena isan’andro nefa ny mpianatra. Raha ny sekoly tantanako manokana izao dia 1200 isa teo ny mpianatra tao anatin’izay 3 taona izay. Amin’izao anefa latsaky ny 700, izany hoe, ny 45%n’ny mpianatra no tsy hita. Marihina anefa fa tsy hoe nifindra sekoly satria ny mpianatray dia manodidina ety daholo fa ny hita dia mirenireny, mitsoaka an-daharana ireo mpianatra sasany. Nandritry ny fihibohana sy taorian’ireny vokatry ny rivodoza ireny dia tsy niverina an-dakilasy intsony ny 5%n’ny mpianatra, izany hoe, isaky ny misy zava-mitranga eto amin’ny firenena dia mihena foana ny mpianatra miditra an-dakilasy. Ny vahaolana apetrakay ary efa teneninay ny tekinisianina foana hoe rehefa misy hevitra tokony hifampiresahana na fakan-kevitra tokony atao dia tokony hiantso ny mpisehatra anaty sekoly tsy miankina fa tsy any dia manapaka fotsiny. Manan-danja lehibe amin’ny fampandrosoana ny fanabeazana ny sekoly tsy miankina ary betsaka izy eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT