Fampianarana

Sekoly tsy miankina Maro ireo nitondra am-bavaka ny mpanala fanadinana


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Mino sy manantena ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto amintsika fa hizotra amim-pilaminana ny fanadinana CEPE hotontosaina manerana ny Nosy, ny talata 14 aogositra ho avy izao.

 

Izany indrindra no antony nitondran’izy ireo am-bavaka ny mpianany, omaly zoma, mba hananan’ny mpianatra fitonian-tsaina. Toraka izany ihany koa ny ray aman-dreny, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Ho an’ny lisea tsy miankina Nomentsoa eny Tsimbazaza, dia teny amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga no nanatanterahana izany omaly, izay nitondrana am-bavaka manokana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana fifindran-kilasy ihany koa. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.  Nomarihin’ny talen-tsekoly, Michel Razafindranaivo moa, fa tsy tokony ho adinoan’ireo ray aman-dreny ny mampahery an’ireo menaky ny ainy hiatrika ny fanadinam-panjakana amin’io datin’ny 14 aogositra io,  mba hialan’ny tahotra, ka hananan’izy ireo fifantohana tanteraka. Tokony holanjalanjaina ihany koa ny sakafo omena ny mpiadina, hoy hatrany ity tale ity, indrindra mialohan’ny fanadinana, hisorohana ny olana mety hitranga.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT