Fampianarana

Sekoly tsy miankina Mangataka ny hanemorana ny datim-panadinana


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Mafy ny mahazo ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanenjehana ny fandaharam-pianarana vokatry ny fahatapahana lava nateraky ny ora-mikija sy ny valan’aretina Covid 19.

 Maro amin’izy ireny mantsy amin’izao no mbola mandamina ny fotoana hianaran’ireo mpianatra ao aminy toy ireo mianatra maraina fotsiny na hariva fotsiny raha misy koa ny mianatra Alatsinainy sy Alarobia ary Zoma dia ny andron’ny Talata sy Alakamisy indray amin’ny herinandro manaraka dia toy izany hatrany. Ho an’ny kolejy La Prime etsy Anosibe manokana dia fantatra fa mianatra fotsiny izy ireo. Manana efitrano fianarana malalaka mantsy izy ireo ka voahaja tsara ilay elanelana 1 metatra isaky ny mpianatra….Na izany aza anefa raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly Rtoa Solonandriana Lanto dia tsy mbola ampy ny ora hianarana sy hamitana ny fandaharam-pianarana. Tokony hitarina hatramin’ny volana Jolay araka izany ny fampianarana hoy hatrany izy hahafahana manao famerenana indrindra fa ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Nisy hoy izy ny filazan’ny tale jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa ny ora fianarana eto Madagasikara no betsaka indrindra nefa fomba fijery eny ambony latabatra ihany izany.Rehefa tena iainana mantsy ilay izy hoy hatrany izy dia tena tsy ampy tokoa ny ora hianaran’ny mpianatra. Mangataka ny hanemorana ny daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana araka izany izy ireo entina hanampiana ireo mpianatra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT