Fampianarana

Sekoly tsy miankina Hosaziana ireo tratra mandika ny lamina efa napetraka


  • Talata 20 Aprily 2021

Nitondra ny fanampim-panazavana mikasika ny tohin’ny fampianarana eny anivon’ny sekoly tsy miankina ny Talen'ny ONEP, Atoa Marcellin Tsarasidy,

 

 

 omaly alatsinainy 19 aprily. Nohamafisiny nandritra izany fa noho ny hamehana ara-pahasalamana miato avokoa ny fampianarana eny anivon’ny sekoly manerana ny Nosy. Voakasik’izany avokoa na ny sekoly miankina amin’ny fanjakana na ireo tsy miankina. Tsy miakatra any am-pianarana araka izany ny mpianatra fa mijanona any an-trano. Namporisika ireo sekoly tsy miankina kosa ny ONEP mba hampihatra ny fampianarana hampitain-davitra na ny ‘cours à distance’ mba tsy hanimba ny fari-pahaizan’ireo zaza Malagasy. Nanentana ireo Ray aman-dReny ihany koa ny Talen'ny ONEP mba hanara-maso ny fianaran'ny zanany any an-trano. Nohamafisin’Atoa Marcelin Tsarasidy kosa fa ho hentitra ny fanaraha-maso ireo sekoly tsy miankina raha misy minia mandika izany lamina sy rindra efa napetraka izany. Hisy ny fidinana ifotony sy ny fitsidihana sy tsy ara-potoana hataon’ny ONEP eny anivon’ny ireny sekoly tsy miankina ireny. Hiafara amin'ny fanasaziana moa izany fandikan-dalana izany ho an’ireo izay tratra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT