Fampianarana

Sekoly tsy miankina Efa miomana amin’ny fanadinana manaraka indray ny mpianatra


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Efa tapitra mamarana ny fandaharam-pianarany avokoa ankehitriny ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina manerana ny Nosy, iray volana mahery mialoha ny hiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE .

 
 Raha ny fanadihadiana natao tamina sekoly tsy miankina iray eto an-drenivohitra dia efa miomana amin’ny fanadinana andrana faharoa indray ireo mpianatra ao aminy hiatrika ny fanadinam-panjakana amin’ity volana jolay ity raha efa mandeha hatrany ny famerenan-desona sy ny fanomezana ny mpianatra ireo karazana laza  adina nisy teo aloha hatramin’izay. Eo an-danin’izay kosa anefa dia tsy mianatra ihany ireo mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra. Ho ana CEG iray eny Atsimondrano eny dia voatery manavo-tena any amin’ireo namany mpianatry ny sekoly tsy miankina ny ankamaroan’ireo mpianatra ao aminy, indrindra fa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana. Tsy voahaja intsony ny zon’ireo ankizy mpianatra hahazo fahalalana mitovy sy tsy mitanila eto amintsika. Misy amin’ireo mpampianatra mitokona ireo anefa no mampianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina ary mahazo karama ihany ankoatra ny karama raisiny any amin’ny fanjakana tsy tapaka isam-bolana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT