Fampianarana

Sekoly tsy miankina “Ahemory ny datim-panadinana”


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Nanao hetsika nanoloana ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fiofanana ara-teknika etsy Anosy omaly ireo talen-tsekoly sy mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina vitsivitsy eto amintsika.

 

 

 Anton’ny hetsika ny fitakiana mikasika ny hanemorana ny datim-panadinam-panjakana izay hotanterahina manomboka ny 01 Septambra ho avy izao, araka ny baikon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Amin’izy ireo mantsy dia tokony miverina an-dakilasy aloha ny mpianatra hanomanana ny sainy mialohan’ny hanatanterahana ny tena fanadinana. Takian’izy ireo ihany ny hijerena ny momba ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina sy ny resaka fampindramam-bola hataon’ny CNaPS izay tsy eken’izy ireo. Farany dia takian’izy ireo ihany koa ny handoavan’ny fanjakana ireo tambin-karamany mbola tsy azo tamin’ireo fanadinana teo aloha. Nandray azy ireo ny talen'ny ONEP sy ireo lehiben’ny kabinetra ary nampanantena fa hojerena faran'izay haingana ny vahaolana mikasika ireo fitakiana ireo. Nanambara kosa ireo mpampianatra fa hihamafy ny fitakiana raha tsy misy ny valinteny mahafa-po avy amin’ny fanjakana ary mety hiafara amin’ny fidinana an-dalambe mihitsy izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT