Fampianarana

Sekoly tsy miankina 20% hatreto ny tahan’ny fisoratana anarana


  • Alakamisy 03 Aogositra 2023

Tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Fanina tsy mahita lalan-kombana intsony ny ankamaroany noho ny fiakaran’ny

vidim-piainana hany ka na ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra aza mila tsy ho vita intsony. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ireo sekoly tsy miankina vitsivitsy eto an-drenivohitra dia vao ny 20%-n’ny Ray aman-dReny no nahavita nanavao ny fisoratana anaran’ny zanany na koa nanoratra ny anaran-janany ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Misy amin’izy ireo no nandoa ilay vola ho famandrihan-toerana fotsiny toy ny droit sy ny frais generaux izay marihina fa nahitana fiakarany hatrany amin’ny 10% ny ankamaroany raha mbola hitadiavana hevitra hafa kosa ny saram-pianarana. Velon-taraina ihany koa ireo talen-tsekoly noho izany. Manahy mafy ny amin’ny hihenan’ny isan’ny mpianatra horaisiny izy ireo raha izao no mitohy. Saika variana sy safotra any amin’ny fitadiavana ny hanin-kohanina isan’andro avokoa mantsy ny rehetra. Ny kely hita aza tsy ampy na dia efa noferana in-droa isan’andro aza sisa no mihinana. Ho an’ireo sekolim-panjakana sasany moa dia ilay hampandoa vola ny Ray aman-dReny no tena mampanahy mafy azy ireo indrindra fa ho an’ireo mbola mampiasa mpampianatra FRAM maro. Tsy mety tanteraka mihitsy mantsy hatreto ilay fampianaran-janaka maimaim-poana eny anivon’ny sekolim-panjakana ka tsy hitan’izy ireo izay hatao.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT