Fampianarana

Sekoly tsy manara-dalàna Miisa 40 indray ireo nahazo fampitandremana


  • Alarobia 13 Septambra 2017

Mitohy hatrany ny ezaky ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena amin’ny fampanarahan-dalàna ireo sekoly tsy miankina eto amintsika amin’izao fotoana.

 

Tapa-bolana tokoa mantsy sisa dia hiverina an-tsekoly indray ireo ankizy madinika manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana raha efa nanomboka tamin’ity herinandro ity kosa ny an’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana sasany. Ny olana dia mbola betsaka amin’izy ireny no tsy nahavita nikarakara ny antontan-taratasy notakian’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena taminy, indrindra fa ireo tsy nanara-dalàna hatramin’izay. Miisa 40 izy ireo no voakasika ary nahazo fampitandremana fanindroany indray, hisorohana ny fanasaziana izay mety hiafara amin’ny fanakatonana mihitsy ho an’ireo minia manampin-tsofina, raha ny fantatra hatrany. Tsiahivina fa nahatratra 100 latsaka izy ireo teo aloha no nahazo fampitandremana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT