Fampianarana

Sekoly tsy manara-dalàna Manana tapa-bolana hanamboarana taratasy


  • Sabotsy 05 Aogositra 2017

Hifarana ny 20 Aogositra ho avy izao, raha araka ny loharanom-baovao azo rehefa naharitra herinandro maromaro ny fe-potoana nomena ireo sekoly tsy miankina tsy manara-dalàna teto an-drenivohitra ka nahazo fampitandremana avy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Mbola mahatratra 100 mahery izy ireo amin’ny ankapobeny izay fantatra fa tsy afaka  handray mpianatra intsony manomboka amin’io taom-pianarana vaovao 2017-2018 ho avy io raha vantany vao tsy mahavita ireo antontan-taratasy nasiana nokarakarainy. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka foto-drafitrasa. Ho an’ireo sekoly  maniry ny handray ankizy préscolaire ohatra dia nambaran’ny Ministra Paul Rabary mazava tsara fa tokony hanana toerana malalaka sy ambany rihina izy ireo mba tsy handratra ny ankizy. Tokony ho ara-dalana ihany koa ny trano fidiovana.  Tokony ho azon’ny masoandro sy ny rivotra  koa ny efitranon-tsekoly arahin’ny fitaovana mifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra. Tsy tokony hitovy amin’ny trano hipetrahan’ny olona ny efitranon-tsekoly raha araka ny fanazavan’ny Ministra hatrany fa misy fenitra arahina, antony nitrangan’ny olana ka nisintonan’ny ministera  ny fahazoan-dalan’ny sekoly tsy miankina iray etsy Anjanahary volana maromaro lasa izay. Marihina moa fa marobe amin’ireo sekoly tsy miankina 100 mahery ireo no tsy  nahazo taratasy fahazoan-dalana hisokatra akory fa teny an-tenantenan’ny taom-pianarana vao nikarakara izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT