Fampianarana

Sekoly sy trano fianarana Hafa ny sary aparitaka, fa hafa mihitsy ny tena zavamisy


  • Talata 21 Jona 2022

Anio tontolo andro no hiatrika ny fanadinana Cepe ireo mpianatra taona faha 5 miisa 525.111 manerana ny nosy.Izay no hamarana ny taom-pianarana ho an’ny ambaratonga fototra.

Nandritra ny fitsidihana ireo efitrano hanatanterahana fanadinana nataon’iroe kilonga sy ny raiamandreny ny alahady tolakandro sy omaly alatsinainy dia tsikaritra rehefa nitety toerana ihany koa ny mpanao gazety fa tena maro ireo efitrano fianarana simba eto Antananrivo renivohitra sy eny amin’ireo kaominina manodidina azy.Vaky ny fitaratra amin’ny varavarankely, misy mihotsaka ny tafo, simba ary toa tsy mety mikatona tsara izany ny varavarana, efa maro no mitritra amin’ireo dabilio. Maro ireo efitrano fianarana tena hita hoe maloto rindrina, ny trano fivoahana efa tena tsy resahina intsony fa sady maimbo , maloto no hita hoe tsy ampy fikarakarana. Ny mpiatrika fanadinana moa iray andro ihany fa ireo zaza Malagasy,zana-bahoaka mianatra mandritra ny 9 volana izany mba ahoana ? Rehefa jerena anefa ny serasera sy fizarana sary ataon’ny fitondram-panjakana dia tahaka ny hoe zava-manjelatra be no misy eny amin’ireo EPP sy CEG ary Lisea, manarapenitra hono ary mampiasa ny teknolojia vaovao.tsy misy mahharatsy ny fanorenana fotodrafitrasa vaovao fa mba ahoana kosa ireo efa misy eto an-toerana, inona no azo atao sy ny tsy maintsy atao amin’ireny sekoly toa efa lasa trano fisoko ireny.Moa ve ny fanjakana foibe tsy mba maharay tatitra avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena izay manana karazan-drafitra isam-paritra tao ny Dren, Cisco, Zap ny amin’ireo zavamisy marina.Tena hoe tsy arakaraky ny kisehoseho ivelany rehefa mitokana zavabita ny zavatra tena iainana ary tena misy akony ratsy any amin’ny fianaran’ny ankizy ilay izy,Ny vao miah mampatahotra aza dia toa misy endrika filalaovana politika izany atao amin’ilay fampianarana sy fanabeazana.Dia ho gaga ve isika raha miha dondrona ny zaza Malagasy, izay miantoka ny ho avin’ny firenena anefa.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ambatolampy Tsimahafotsy
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hampitomboana ny

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

Hijery ny tohiny
FTT