Fampianarana

Sekoly Saint Vincent de Paul Ambatonilita Hiteraka gidragidra raha tsy voalamina


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Toe-javatara lehibe mampifanolana ny Foibem-pitantanana ny sekoly Katolika « DIDEC » sy ny eo anivon’ireo fikambana’ireo maintimolaly sy ray aman-drenin’ny mpianatratra sasany ny fanakatonana ny sekoly Saint Vincent de Paul etsy Ambatonilita amin’izao fotoana.

  Nahatsapa ho nanovo tombontsoa sy fahalalana teo anivon’ny sekoly ireto farany, ary tena sahy mijoro fa tsy mankasitraka ny fanakatonana ny sekoly. Raha dinihina dia tsy misy resaka demokrasia izany eo anivon’ny fiangonana katolika amin’ity raharaha ity. Efa mibirioka amin’ny fifehezan’ny Ekar ireo tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitra, raha jerena amin’ny lafiny iray. Nijoro hatramin’ny farany mantsy ireto farany, ary sahy nampiseho ny tsy fankasitrahana mihitsy nandritra ny fahatongavan’ny Kardinaly vaovao avy any Vatican, ka notsenaina teny Ivato ny 10 jolay teo. Efa nambaran’ireo manohitra ny fanakatonana ny sekoly nialoha rahateo, fa dia hisy ny fanehoan-kevitra hitondrana sorabaventy hanoherana io fanakatonana ny sekoly io. Mety ho olana ho an’ny katolika io toe-javatra io, indrindra fa japian’ireo mpanao politika mpitady afo harehitra. Raha hiverenana ny fototry ny olana, dia ambara fa tsy mahavelon-tena intsony ity sekoly ity noho ny fitotongan’ny isan’ny mpianatra satria raha 1900 tany aloha, dia voalaza fa tsy misy afa-tsy 700 izany sisa ankehitriny.  Mifanipaka ny hevitra satria ao ny mankasitraka ny fanakatonana ny sekoly, ary ao ny miziriziry hatramin’ny farany, izay mety ho vary mangatsiakan’ny Kardinaly vaovao Désiré Tsarahazana io, ary mety hiteraka fisamatsamahana sy hiitatra amina toe-javatra samihafa raha tsy voafehy dieny izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT