Fampianarana

Sekoly politeknikan’Antananarivo “Mihena toy ny fen’antitra ny mpampianatra raikitra”


  • Zoma 12 Novambra 2021

Raha 183 ny mpampianatra tamin’ny 2015 dia efa 153 sisa amin’izao fotoana izao, ary mety ho 99 sisa amin’ny 2025, hoy ny Filohan’ny Collège des Enseignements permanents eo anivon’ny

 Sekoly ambony Politeknikan’Antananarivo Atoa Raharisolo M. Lasa rafitra “vacataire” daholo ny mampianatra, ary ny hiafaranay, raha izao no mitohy, dia mety ho vitsivitsy sisa ny mpampianatra raikitra any amin’ny 2030 any ho any. Eo anatrehan’izany, voatery ny mpampianatra, manaraka ny fanapahan-kevitry ny SECES eo anatrehan’ny zavatra mitranga. Eo amin’ny lafiny “adminisitratif” eo anivon’ny politeknika, dia mafy tokoa ny miatrika azy. Ilay mpampianatra eo foana, fa ny “vacataire” no mitondra azy, kanefa ireo tsy azo terena loatra rehefa tsy mandray ny tokony ho tambin-karamany izy. Lasa tapatapaka ilay fampianarana, tsy grevy ilay izy fa resaka fangatahana ny karama tsy voaloa. Mitaraina izahay eo anivon’ny fitantanana ao anatiny satria tena mafy ilay izy, hoy hatrany io Filohan’ny Collège des Enseignements io.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT