Fampianarana

Sekoly miaramilam-pirenena Hetsika goavana no hanamarihana ny faha 100 taona


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Feno 100 taona amin'ny 25 may ho avy izao ny sekoly miaramilam-pirenena eto Madagasikara na ny Anciens Enfants de Troupe,

mpianatra nivoaka avy tao amin’ny SE.MI.PI. Ny volana may taona 1923 ny sekoly no niorina voalohany teto Madagasikara ka tetsy Betongolo no toerana nisy azy. Tsy handalo fotsiny izany fankalazana izany ho an'ny AET. Diabe hiala eny Betongolo no hanamarihana izany, anio alatsinainy 22 may maraina, toerana voalohany nisy ny sekoly. Hisy ny fanolorana faneva ny filoha nasionalin'ny AET mandritra izany, lanonana hitohy hatrany Andafy avaratra. Tsy hijanona hatreo izany fa hitohy hatranyAmbositra sy Fianarantsoa ny datin’ny 25 may izay hofaranana amin'ny fiaraha-misakafo lehibe.Tsiahivina moa fa tsy voatery ho miaramila na zandary na polisy ireo mivondrona ao amin’ny AET. Misandrahaka amina antontan'asa maro samihafa mantsy ireo mpikambana rehefa mivoaka ao toy ny mpandraharahara, mpitsara, administratera sivily. Eto Antananarivo moa no ahitana ny fikambanana nasionaly raha efa misandrahaka any amin'ny faritra sy distrika izy.Miantso ireo mpikambana rehetra araka izany ny komity mpikarakara mba ho avy hifanome tanana sy hifanotrona ho fanomezam-boninahitra izany. Marihina fa tamin'ny taona 1766 ny AET no nisy tany La Frantsa tamin'ny andron'ny mpanjaka Louis XVI. Napoléon kosa no nampiditra azy ho ara-panjakana.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny komity
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT