Fampianarana

Sekoly Madecasse Mankalaza ny fahenim-polo taonany


  • Alakamisy 13 Aprily 2017

1957-2017 ! Feno 60 taona ankehitriny ny sekoly Madecasse. Teny Andravoahangy no niandohany ary ankehitriny dia efa eny Ampasika sy Bemasoandro ary Ambohijafy Itaosy no misy azy.

  Omaly alarobia 12 aprily dia nankalazaina teny Antsahamanitra ny  fanamarihana  notronin’ny mpianatra sy mpanabe, nanasana an’i José (tarika Hasina) sy tonton Pa (tarika Rebika) ary i Marion. Tsy hitsahatra ny fanamarihana  raha tsy amin’ny Paska 2018. Telo mirahalahy no nanorina ny sekoly tamin’izany, dia Andriamatoa Ravalison Edmond sy Gaston ary Raymond izay efa nodimandry avokoa. Ravalison Herilanja sy Sedera no mitantana sy mamelomaso ny sekoly ankehitriny. Mahatratra 3 000 ny mpianatra ao amin’izao manomboka ny garabola ka hatramin’ny famaranana A sy D, 85 ny mpanabe. “ Fahaizana ombam-pahendrena” no tarigetran’ny sekoly. Sekoly tsy miankina fa voataiza ara-kristianina ny ankizy beazina ao izay marihina fa zanaky ny ambany tanàna ny ankamaroany nefa tsy mena-mitaha ny vokatra.

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT