SEKOLY IRAISAM-PIRENENA MAARIF

Mpianatra 20 mianadahy nahazo vatsim-pianarana ho any Turquie


  • Alakamisy 03 Jolay 2025

Mpianatra 20 mianadahy avy eto Madagasikara indray no nahazo vatsim-pianarana

ho any Turquie tamin'ity taom-pianarana 2024-2025 ity. Nanovo fahalalana tao amin'ny sekoly iraisam-pirenena Maarif etsy Bel'air Talatamaty izy ireo izay marihina fa nanomboka nanokatra ny varavarany teto Madagasikara tamin'ny taona 2019. Manana fomba fampianarana 2 karazana ity sekoly ity raha tsiahivina dia ny fomba fampianarana Malagasy sy Frantsay. Na izany aza mahay sy mampiasa tenim-pirenena maro ireo mpianatra ao aminy toy ny teny Malagasy, Turc, Frantsay, Anglisy, Espagnol ary Allemand. Nambaran'ny masoivohon'i Turquie miasa sy monina eto Madagasikara Atoa Ishak Ebrar fa niisa 32 monja ireo mpianatra nandrato fianarana tao amin'ity sekoly ity tamin'ny taona 2019. Tamin'ny taom-pianarana farany teo dia efa tafakatra 225 isa izy ireo raha efa mahatratra 300 isa indray ireo efa nisoratra anarana ho an'ny taom-pianarana vaovao. Mandray ireo mpianatra garabola ka hatramin'ny ambaratonga ambony ny sekoly.
Pati
Légende : Ireo mpianatra navoaka nahazo vatsim-pianarana ho any Turquie !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT