Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Nanamarika ny andron’ny Telma


  • Zoma 24 Febroary 2017

Nanamarika ny andron’ny Telma ny sekoly ambony UPRIM. Ny alarobia teo no nanatanterahany azy ity tetsy amin’ny foibeny etsy Andavamamba,

 hetsika izay tafiditra indrindra tao anatin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2017 nifanaovan’ny mpampianatra sy ny mpianatra ary ny tompon’andraikitry ny sekoly, notronin’ity orinasam-pifandraisana iray ity. Nisy ny fampahafantaran’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny orinasa Telma ireo karazana asa misy ao aminy mba hahafahany mandray ireo mpianatry ny sekoly ambony UPRIM, eny fa na dia fianaran’asa fotsiny ihany aza. Tena nahaliana ny mpianatra tokoa ny hetsika tamin’ny ankapobeny sy ny fampahafantarana ny Telco any Comores noho ny fisian’ireo mpianatra komorianina marobe mandranto fianarana eo anivon’ity sekoly ambony iray ity. Mandoa saram-pianarana amin’ny alalan’ny M Vola rahateo ireto mpianatry ny UPRIM ireto, antony nanomezan’ny orinasa Telma azy tombony manokana ankoatra ny maha efa mpiara-miombon’antoka ny roa tonta. Narahina fizarana loka sy fanomezana marobe ho an’ny mpianatra ny lanonana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka BakalĂ´rea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT