Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Namoaka teknisiana 165 mianadahy


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Mitombo isa hatrany ireo teknisiana manam-pahaizana eto amintsika. Tanora lahy sy vavy 165 mianadahy indray no navoakan’ny sekoly ambony UPRIM ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny sampana tertiaire.

 

 

 Anisan’ izany ireo nanaraka ny lalam-piofanana gestion et management, ny commerce et marketing, ny droit ary ny communication. Samy notolorana mari-pahaizana avokoa izy ireo ka ho an’ireo nahazo ny DTS dia nampisalorana anarana Fijilo izy ireo raha Taratra kosa no anarana nosafidiana ho an’ireo nahazo ny mari-pahaizana licence. Ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena AtoaTinoka Roberto, Atoa Siteny Andrianasoloniaiko ary Rahantasoa Marie Lydia, ministry ny fampianarana teknika teo aloha no Ray mpiahy azy ireo. Nambaran-dRakotovaoarison Nadia R, tale jeneralin’ny UPRIM moa fa tsy misy ahiana ny fitadiavan’ireo mpianatra mivoaka ao aminy asa. Vao tamin’ny herinandro teo mantsy izy ireo no nanokatra ny fiaraha-miasany amin’ny banky Bni hahafahan’ny mpianatra mianatra asa sy miasa avy hatrany. Amin’ny taom-pianarana ho avy ihany koa dia hisokatra ny UPRIM any Comores, ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT