SEKOLY AMBONY UPRIM

Mpianatra 11 nahazo vatsim-pianarana ho any Chine


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

Mpianatra miisa 11 mianadahy no indray nahazo vatsim-pianarana ho afaka hanohy fianarana

ao amin’ny Huaqiao University any SIEMEN any Chine ho an’ny sekoly ambony UPRIM. Tsy nanavahana lalam-piofanana izy ireo raha araka ny fanazavan-dRakotovaoarison Haingo Nadia, filoha tale jeneralin’ny sekoly. Tamin’ny alalan’ny fahaizany namolaka ny tenim-pirenena Sinoa izay efa hampianarina maimaim-poana amin’ity sekoly ambony iray ity sy ny fiavahany tamin’ny haranitan-tsaina nananany kosa no nahafahany nifantina azy ireo tao anatin’ny besinimaro. Tsy miantoka na inona na inona ankoatra ny saran-dalany izy 12 mianadahy ireo. Mbola hampian’ny governemanta Sinoa vola hafa raisiny isaky ny telo volana aza izany ho fanampiana ny sakafon’izy ireo. Raha tsiahivina moa dia mpianatra 8 mianadahy no efa nahazo vatsim-pianarana niazo an’i Chine tamin’ny taom-pianarana 2023-2024 ho an’ity sekoly ambony iray ity. Anisan’ny tena namiratra tany an-toerana ny 2 tamin’izy ireo, antony nanosika ity firenena iray ity hampitombo ho 11 isa indray ireo mpianatry ny UPRIM ho afaka hanohy fianarana any an-toerana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2024-2025. Mbola vokatry ny fiaraha-miasan’ity sekoly ambony iray ity tamin’ny Etoile Francophonie etsy Ankadimbahoaka sy ny firenena Sinoa hatrany moa no angady nananana sy vy nahitana izany rehetra izany.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo mpianatra handeha hanohy fianarana any Chine notolorana ilay vatsim-pianarana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT