Fampianarana

SEKOLY AMBONY UPRIM Lasa oniversite nomerika


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Tapitra hatreo ny fampiasana taratasy eo anivon’ny sekoly ambony Université Privée de Madagascar na ny UPRIM. Tsy hisy hilahatra intsony ihany koa ny mpianatra rehefa mandoa saram-pianarana fa amin’ny alalan’ny karatra dia vita.

 

 

 

Ankoatra izay dia ho afaka hifanerasera tsy tapaka ny mpampianatra sy ny mpianatra ary ny mpitantana sy ny mpandraharaha eny fa na dia samy any amin’ny toeran-davitra aza. Tontosa soa aman-tsara omaly ny fametrahana ara-pomba ofisialy ny fitaovana nomerika ara-pedagojika ( application) eo anivon’ity sekoly ambony iray ity niarahana tamin’ny orinasa Red Sakay. Tanjon’ny sekoly amin’izany, raha araka ny fanazavan-dRakotovaoarison Haingo Nadia, filoha mpitantana ny sekoly ny mba hahafahan’ny mpianatra rehetra mifanatona sy mifanerasera amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera azy ireo manokana  ka hisian’ny  fifanohanana sy ny fifanakalozan-kevitra na fanazavana lesona mihitsy ho an’ireo mpianatra manana olana. Mbola izy ireo ihany hatreto no manana ity fomba fiasa vaovao ity, hoy hatrany ny filoha mpitantanana mba hahafahana mampitombo sy manatsara hatrany ny fahalalana omena ny mpianatra. Notsiahiviny manokana moa fa tamin’ny taona 2007 no niorina ny sekoly ambony UPRIM. Efa  ara-dalàna tanteraka izy ankehitriny satria nahazo ny fankatoavana avy amin’ny fanjakana  no sady afaka mandefa mpianatra any ivelany ihany koa. Natokana ho an’ireo ankizy sahirana  tsy manana fahafahana handoa saram-pianarana lafo izy nefa ihany koa tsy manakana ireo manan-katao maniry ny hiditra ao aminy. Hahazo tombontsoa amin’izany ireo mpianatry ny UPRIM manerana ny Nosy.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT