Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Havadika ho oniversite nomerika


  • Talata 29 Mey 2018

Havadika ho oniversite nomerika ny sekoly ambony UPRIM. Efa an-dalam-pametrahana izany ireo tompon’andraikitra rehetra ao aminy ankehitriny.

 Tsy hisy intsony, araka ny fanazavan’ny filoha sady tale jeneralin’ity sekoly  ity, Rtoa Rakotovaoarison Haingo Nadia ny fampiasana taratasy fa “logiciel” vaovao avokoa no hampiasaina amin’izany. Amin’ny fiandohan’ny volana Jona ho avy izao moa raha tsy misy ny sampona ny fampahafantarana izany  amim-pomba ofisialy, tohanana orinasan-tserasera sy fifandraisana iray eto amintsika. Fa ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa  hanampy ireo olon-dehibe tsy afaka manohy ny fianarany intsony any an-tsekoly isan’andro  ny  Université Privée de Madagascar. Hisokatra amin’ity taona 2018 ity mantsy ny fahafahana mandray ireo mpianatra haka ny maripahaizana Master II ho an’ny lalam-piofanana gestion et management, commerce  et marketing, ny droit ary ny communication. Isaky ny sabotsy hariva vao mandalo any am-pianarana ny mpianatra, araka izany. Amin’ny volana jolay kosa no hanomboka ny fampianarana. Mikasika ny fizotry ny fampianarana isan’andro dia hisy ny fidirana ho an’ny taranja rehetra amin’ity volana mey ity.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT