Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Hanampy ireo mpianatra vao afaka baka


  • Talata 30 Oktobra 2018

Vonona ny hanampy ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea eto amintsika ny sekoly ambony UPRIM. Lalam-piofanana miisa dimy raha araka ny nambaran’ny filoha tale jeneraliny Ramatoa Nadia Rakotovaoarison no hatolony dia ny “gestion et management”,

 

 

 ny “commerce et marketing”, ny “communication”, ny “droit” ary ny “Paramédicaux”. Natokana ho an’izay maniry ny ho lasa mpampivelona sy mpitsabo mpanampy ity lalam-piofanana farany ity. Ho an’ireo vao hiditra ao amin’ny taona voalohany sy faharoa dia amin’ny 5 desambra ho avy izao no hanomboka ny taom-pianarana 2018-2019. Amin’ny volana janoary taona 2019 kosa vao hiditra ny taona fahatelo ka hatramin’ny taona fahadimy. Nomarihiny fa ara-dalàna ary nahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana avokoa ny diplaoma omen’izy ireo ny mpianatra. Manaraka ny teknolojia sy ny tsenan’ny asa ihany koa ny fampianarana omeny, hoenti-miady amin’ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora ankehitriny.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT