Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Amin’ny volana martsa ny fidirana manaraka vaovao


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Mba ho fitsinjovana ireo mpianatra mbola naka aina kely taorian’ny fiatrehana ny fanadinana bakalôrea taona 2018 dia hanatanteraka fidirana andiany faharoa indray ny sekoly ambony UPRIM amin’ny volana martsa ho avy izao. Ny L1, L2, L3 ary ny M1 sy ny M2 no

  

 

 

handraisana mpianatra amin’ireo lalam-piofanana miisa dimy nahafantarana azy ireo hatramin’izay dia ny “gestion et management”, ny “commerce et marketing”, ary ny “droit et communication”. Fa tsy latsa-danja amin’ireo ihany koa ny  lalam-piofanana “paramédicaux” izay hanofanana  mpampivelona sy mpitsabo mpanampy hotolorana ny maripahaizana “licence”.  Horaisina ao anatin’izany avokoa ireo mpianatra hiditra ao amin’ny taona voalohany ka hatramin’ny taona fahatelo. Mampiavaka ny UPRIM amin’ity lalam-piofanana iray farany ity raha araka ny fanazavan-dRakotovaorison Haingo Nadia, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly ny fahafahan’ny mpianatra miatrika fianaran’asa avy hatrany na dia mbola ao amin’ny taona voalohany aza. Tsiahivina moa ho an’ny sekoly ambony UPRIM ao Mahajanga fa nahazo fotodrafitrasa tena raitra ireo mpianatra any an-toerana. Ao amin’ny “Centre commercial dame de coeur “ ao Mangarivotra no ahitana izany,  miaraka amin’ireo fitaovana vaovao nohafarana avy any Alemana.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT