SEKOLY AMBONY TSY MIANKINA

Mihena an-toerana ny isan’ny mpianatra


  • Zoma 20 Oktobra 2023

Mihena an-toerana toy ny fen’antitra ny isan’ ireo mpianatra tonga manoratra anarana eny anivon’ny sekoly

ambony tsy miankina eto an-drenivohitra amin’izao. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompona oniversite tsy miankina iray dia vao ny 50% -n’ireo mpianany no niverina nanoratra anarana hatreto nefa amin’ny volana Novambra ho avy io no tokony hiditra ny mpianatra. Vokatry ny fahasahiranana avokoa no antony mahatonga izany. Saika variana amin’ny fitadiavana ny haninko hanina isan’andro sy ny fampandehanana ny fiainana amin’ny andavanandro avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo Ray aman-dReny mpianatra ka tsy manana fahafahana ny hampiana-janaka intsony. Tsy tafiditra ao anatin’ny kajin’izy ireo intsony ny fandoavana ny vola fisoratana anarana sy ny saram-pianarana isam-bolana, indrindra raha somary avoavo lenta ilay sekoly. Raha araka ny fanazavan’ity tompona oniversite tsy miankina iray ity hatrany moa dia mbola ho tena sahirana isika eto Madagasikara raha izao fitondrana mijoro izao no mbola avela hiverina eo. Sady tsy hisy hianatra intsony ny zaza Malagasy hoy izy no hihamafy hatrany ny fitadiavana ny hanin-ko hanina koa anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra. Pati
Legende : Mihena ny isan’ireo tanora mpianatra miditra an-tsekoly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT