Fampianarana

Sekoly ambony tsy miankina Maro ireo mpianatra no misedra olana


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2021

Maro ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambony tsy miankina no misedra olana vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19.

 Anisan’ny tena betsaka tao anatin’izany ireo tsy mahaloa saram-pianarana ankoatra ireo tsy mahavita mividy fitaovana, raha araka ny fanadihadiana natao hany ka voatery mijanona antenantenany. Ho an’ny sekoly ambony tsy miankina ISPM manokana ohatra dia fantatra fa maromaro ihany ireo mpianatra tao aminy no niharan’izany raha araka ny fanazavan-dRazafindrahety Aimée, tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly. Na izany aza anefa dia miezaka hatrany ny sekoly manampy sy manohana ireo mpianatra mba hahavitany hatramin’ny farany ny fianarany raha mbola azo hatao. Tsiahivina moa fa na dia teo aza ny fihibohana dia niezaka hatrany ny ISPM nanome fampianarana ireo mpianatra tamin’ny alalan’ny internet mba tsy hahabanga ny fianaran’izy ireo. Handray ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea vaovao indray izy ireo amin’ity taona ity ka fantatra fa amin’ny volana Oktobra ho avy izao no hanatanterahana ny fifaninana hidirana ao amin’izy ireo na koa amin’ny alalan’ny fisivanana ireo dosie rehetra voaray. Eken’ny fanjakana moa diplaoma havoakan’ny ISPM ka hahafahan’ireo mpianatra mivoaka ao aminy miasa avy hatrany.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT