Fampianarana

Sekoly ambony Polyteknikan’Antsiranana “Ny mpianatra antsoina, ny trano tsy misy”


  • Zoma 17 Septambra 2021

Velon-taraina ireo mpianatra avy lavitra. Misy ny afaka bakalorea tamin’ny 2020. Nanao fifaninanana hidirana any amin’ny Sekoly ambony Polyteknika Antsiranana.

 Afaka soamantsara. Ny jona sy jolay 2021 natao ny fisoratana anarana, dia hoe miandry fidirana. Septambra 2021 “niantso ny avy amin’ny Polyteknika Diego hoe tongava aty amin’izay dia nanainga, tonga tany anefa akory ny hatairana, tsy misy tokontaniny ny resaka trano fonenana, fotodrafitrasa tena tsy ampy ny any”, hoy ny fijoroana vavolombelona sy fitarainan’ny mpianatra. Lasa ilay mpianatra no mitady etsy sy eroa izay hisitrihana kanefa tokony hahazo “cité” avy hatrany ny mpianatra avy lavitra, ka ireo mpianatra zoky hahavita fianarana no nifampiraharahana hoe mba alaiko ny trano rehefa hiala ianao. Nifampijery ny samy iray faritra satria io no mampilamina kokoa, izany hoe raha lasa ny mpianatra 1 avy any Toamasina dia miditra ao amin’ny trano nipetrahany ny mpianatra iray vaovao avy any Toamasina dia tahaka izany ny Antananarivo, Toliara Fianarantsoa,... Sahiran-tsaina ny ankizy sy ny Ray aman-dReny. Ny daty hidirana mianatra tsy fantatra mazava, ny trano ankamantatra. “Ny resaka fandaminana na “organisation” tena tsy izy mihitsy”, hoy ny fitarainana. Tsy mba efa niomanana mialoha ve ilay izy? Ohatrinona ny vola efa lanin’ilay ankizy avy any Toliara na Antananarivo niazo an’Antsiranana dia avy eo hoe mbola tsy mianatra indray fa hoe: omena anareo eo ihany ny daty? Fa tena atao ambanin-javatra mihitsy ve izany ilay tontolon’ny fampianarana, kanefa io no fototra? Any amin’ny EPP ka hatrany amin’ny oniversite dia misy olana be foana isan-taona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT