Fampianarana

Sekoly ambony Maro ireo efa miroso amin’ny fampianarana ampitain-davitra


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Maro ireo sekoly ambony no efa miroso amin’ny fampianarana hampitain-

 

 

davitra na “formation à distance”. Anisan’izany ny sekoly ambony ESTIIM etsy amin’ny 67 ha, tarihin’Atoa Andrianadison. Raha araka ny fanazavany dia efa 2 taona izy ireo no efa niditra tamin’ity fampianarana hampitain-davitra ity hany ka tsy nanana olana ny mpianatra na dia teo aza ny fandalovan’ny valan’aretina COVID 19. Nahavita ny fianarany soamantsara ihany izy ireo izay navoaka omaly teny amin’ny CCI Ivato. Miisa 106 izy ireo raha nihintsana teny an-tenantenany ny 26 notolorana ny mari-pahaizana Diplome de techinicien Superieur, ny licence ary ny Master I sy Master II. Tafiditra tao anatin’ireo 106 isa ireo ireo ankizy manana olana ara-pahitana mpianatry ny AKAMA 67 ha miisa 11 raha miisa 6 indray ireo vao hiditra amin’ity taom-pianarana vaovao ity. Miisa 6 moa ny lalam-piofanana misy ao amin’ny ESTIIM toy ny lalàna, informatika, fizahantany sy tontolo iainana, varotra sy haivarotra, serasera izay vao nisokatra tamin’ny taon-dasa…Notsiahivin’Atoa Andrianadison tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly moa fa marobe hatrany ireo ankizy mpianatra mahazo naoty tsara rehefa havoaka tahaka izao. 15 ohatra no nahazo ny mention très bien, 30 no nahazo ny bien raha 30 ihany koa no nahazo ny assez bien.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT