SEKOLY AMBONY ISPPS STI

Namoaka mpiasan’ny Fahasalamana 87 mianadahy


  • Zoma 29 Novambra 2024

Namoaka mpiasan’ny Fahasalamana miisa 87 mianadahy ny Sekoly ambony Institut Superieur des Paramedicaux et Promotion de la Sante de la Science et Technologie de l’information,

tarihin-dRamanahirana Gerard. Teny amin’ny Yandy By Pass no nanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany omaly mpianatra nivoaka ho mpampivelona, infirmiera ary anestezista. Andiany faha-10 izy ireo, misalotra ny anarana« Miavaka » na ny hoe « Mitandro ny ain’ny vahoaka aho ka hanaja ny asako ! Notolorana ny diplaoma Licence izy ireo rehefa nahavita fianarana nandritra ny 3 taona narahin’ny fanohanan-kevitra sy ny fihanihanana nataony. Maro amin’izy ireo no efa nahita asa araka izany. Misy ihany koa anefa ireo mbola hanohy haka ny mari-pahaizana Master. Mampiavaka ity andiany ity moa ny fahaizan’izy ireo sy ny fananany finiavana ary ho tena mpiasan’ny Fahasalamana mamaly ny filam-bahoaka marina indrindra fa ny fampihenana ny taham-pahafatesana eto amintsika.
Pati
Legende : Ireto tovovavy ireto izao nivoaka ho anestezista !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT