Fampianarana

Sekoly ambony ISPPS Manome tantsoroka momba ny fananan-tany


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

“Mametraka tanjona hanomana tanora vanona manana vahaolana ho to nofy” no tanjon’ny Sekoly ambony ISPPS (Institut Supérieur des Paramédicaux et de Promotion de la Santé) etsy Fort Duschesne,

izay 10 taona nijoroana amin’izao fotoana izao, hoy Atoa Gérard Ramanahirana Lehiben’ity sekoly ambony ity. Hanabe sy hanangana olona miainga amin’ny tarigetra “Fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny firenena”. Manana departemanta 3 ka voalohany ny fanofanana ny tanora ho Paramed, “informatique de gestión et management”, ary ny sampana fitoriana filazantsara sy fanabezana ho olom-pirenena vanona. Ho famenon’ilay antsoina hoe: “éducation formelle” izay hanofanana ny tanora, dia isan’ireo fahalalana fanampiny izay homena ny resaka fahalalana momba ny fananan-tany, ka ny rantsana fanabeazana zo sy adidy ny fananan-tany no nandray ny andraikiny nizara sy nanofana ireo tanora momba izany omaly. Miezaka mandray ny anjara biriky eo amin’ny olana izay manjo ny firenena, ka nampahafantarina ireo tanora ny anjara biriky tokony ho fantany mikasika ny zo sy adidy momba ny fananan-tany satria anisan’ny zo aman-kasina tokony hikoloana ny maha olombanona ny tanora ny fahalalany ny zo sy hasina. Tanjona ny hisitrahan’ny Malagasy ny taniny ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana. Miara-miombon’antoka sy mandray anjara ny firaisamonim-pirenena, manam-pahaizana momba ny fananan-tany, ireo tanora, ireo olona manana olana momba ny fananan-tany, fikambanana samihafa izay manabe momba ny zo sy lalàna mikasika ny fanananan-tany. Mitambatra ho Tambajotra mifanabe amin’ny zo sy ny fananan-tany ireo. “Tokony hibeazana ny olana rehetra eto amin’ny firenena ahazoana mandray andraikitra. Hanehoana ny fitiavana ny firenena sy hankasitrahana an’Andriamanitra. Manana anjara biriky ny sekoly, tokony hanitsy ny fandaharam-pianarana rehefa hita tsy mifanandrify amin’ny zava-misy sy iainana. Mametraka izahay mba tsy ho oniversite mpamokatra tanora tsy an’asa, fa olona sady nianatra no miasa ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy ity Lehiben’ny Sekoly ambony ISPSS ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT