SEKOLY AMBONY ISPM

Manofana ny tanora hamorona asa ho an’ny tenany


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Miisa 4.000 tao anatin’ny 31 taona nijoroany ireo injeniera efa navoakan’ny sekoly ambony ISPM eny Antsobolo.

Ny hanatsara hatrany ny kalitaon’ny fampianarana omena ny mpianatra mantsy no tena antom-pisiany ka tsy ireto farany fotsiny no hahazo asa fa afaka hamorona asa ho an’ireo tanora namany marobe ihany koa izy ireo amin’ny alalan’ny fananganany orinasa. Tsy manomana mpianatra handeha hianatra na hiasa any ivelany izy ireo noho izany fa ny hanavotra ireo tsy an’asa marobe eto Madagasikara aloha, antony mampahazo vahana ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Vao ao amin’ny taona voalohany araka izany ireo mpianatra ao amin’izy ireo dia efa manao fikarohana araka ny lalam-piofanana hianarany ary mampihatra izany. Manana tetikasa goavana ho azy manokana ny mpianatra iray noho izany raha vantany vao vitany ny fianarany ary azony hananganana orinasa tsara izany. Tsy reraka ny manazava ny tanora mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea io tanjony io ity sekoly ambony ity noho izany hahafahana mandresy ny fahantrana.
Pati
Legende : Manampy ny tanora hatrany ny sekoly ambony ISPM rehefa misy Salon tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT